Alakamisy 06 janoary 2033
Fanombohana ny Sorona Masina
Herinandro manaraka ny Epifania
Hatramin'ny voalohany sy talohan'ny taona rehetra dia efa Andriamanitra ny Teny, ary nanaiky hateraka, ho Mpamonjy an'izao tontolo izao.
Andriamanitra ô, naposakao amin'ny firenena rehetra tamin'ny alalan'ny Zanakao ny fahazavanao mamiratra mandrakizay, koa ataovy fantatray vahoakanao ny famirapiratana feno avy amin'ny Mpanavotra anay hanampiany anay ho tonga any amin'ny fahazavana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Joany Apôstôly
Ry malala, aoka ho tia an'Andriamanitra isika fa Izy no efa tia antsika taloha. Raha misy milaza azy ho tia an'Andriamanitra, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy, satria, raha ny rahalahiny hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra tsy hitany? Sady izao no didiny efa azontsika; izay tia an'Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa. Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an'Andriamanitra, sy ny fitandremana ny didiny. Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an'Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, satria izay naterak'Andriamanitra dia mandresy an'izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an'izao tontolo izao dia ny finoantsika.
Andriamanitry ny fahamarinana ô! mba tolory ny andriana mpanapaka sy ny zanak'andriana ho dimbiny ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Izy hanala amin'ny herisetra, fa ny rany sarobidy tokoa. Ranombavaka anie homba azy, rary soa mandritra ny andro.
Ny anarany ankalazaina sy haharitra toy ny masoandro! Ary indro atao fitahiana ireo foko manerana an-tany. Ary izy no ho reharehan'ireo mponin'ny tany tontolo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 4, 14-22aTamin'izany andro izany, i Jesoa dia nentin'ny herin'ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin'ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin'ny sinagôgan'izy ireo Izy, ka nankalazain'izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin'ny sinagôga araka ny fanaony tamin'ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin'i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin'ny mpifatotra sy fahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan'ny Tompo sy ny andron'ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin'ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason'izy rehetra tao amin'ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin'ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ireto fanatitra ifandraisanay aminao be voninahitra; koa enga anie ny fanomezanao atolotray Anao hahamendrika anay handray ny Tenanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Prefàsy: Ny Nisehoan'ny Tompo, na ny Nahaterahany
Toy izao tokoa no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny hasin'izao Kômonio izao hankahery ny fiainanay mandrakariva.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.