Alahady 28 novambra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
TONGAVA, RY TOMPO TSARA FO!
Any aminao, ry Tompo, no anandratako ny fanahiko! Ianao, ry Andriamanitra, no ifefeko: tsy ho azon-kenatra aho, tsy ho resin'ny fahavalo! Izay rehetra mitady Anao tsy ho azon-kenatra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: herezo ny fonay mino Anao, mba ho masim-piainana izahay, hitsena an'i Kristy Ilay ho avy; ary ho mendrika ho tonga eo anilany, hahazo ny fanjakan'ny lanitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Ianao ry Tompo, no Rainay, Mpanavotra anay no Anaranao hatrizay ela izay. Nahoana izahay, ry Tompo ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny foko lovanao! Inay Ianao mandrovitra ny lanitra, dia midina, dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra! Endrey raha midina Ianao dia hihozongozona eo anoloanao ny tendrombohitra! Tsy mbola nisy nandre, tsy nisy maso nahita izay andriamanitra hafa, manao toy izany, ho an'ny manantena azy, afa-tsy Ianao. Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao. Fa izao, tezitra Ianao, ary meloka izahay; — sady efa ela no toy izany —: hovonjena va izahay? Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinana rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay mipaoka anay toy ny rivotra. Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin'ny fahotanay izahay. Fa ankehitriny, ry Tompo ô, Rainay Ianao; ary Ianao no Ilay nanefy anay; tanimanga izahay, ary Ianao no Ilay nanefy anay; asan-tananao avokoa izahay rehetra.
Mandrenesa, ry Mpiandry an'i Israely, ry mpitondra an'i Jôsefa ho toy ny ondry. Eny, fohazy ny herinao, tongava hamonjy anay.
Ry Andriamanitry ny tafika ô, miverena, mitsinjova avy any an-danitra, jereo ilay foto-boaloboka, karakarao ilay nambolen'ny tananao.
Ny tananao homba an'ilay olona fiaronao, ilay zanak'olombelona omenao ny herinao. Izahay tsy handao Anao intsony; velomy izahay hiantso ny Anaranao.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa Kristy: fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; ary noho ny niorenan'ny Evanjelin'i Kristy eo aminareo, dia tsy ho latsa-danja noho ny hafa ianareo amin'ny fahasoavana rehetra, hany ka miandry amim-pitokiana ny fisehoan'i Jesoa Kristy Tompontsika. Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesoa Kristy Tompontsika. Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin'ny Zanany, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 13, 33-37Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Mitandrema, miambena, ary mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian'ny fotoana: tahaka ny lehilahy iray nandeha hivahiny, ka nandao ny tranony, ary nanome fahefana ny mpanompony sy nanolo-draharaha hataony avy, dia nandidy ny mpiandry varavarana hiambina. Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho misasakalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, fandrao tonga tampoka izy ka tratrany matory ianareo. Ary izao lazaiko aminareo izao, dia lazaiko amin'ny olona rehetra koa: Miambena”.
Ry kristianina havana, amin'izao fanombohan'ny fankalazana ny Fiavian'ny Tompo izao, dia aoka ho finoana feno sy fanantenana mafy no hiandrasantsika ny hiaviany, mba ho tena mpanompony mahatoky sady vonona isika.
Tompo ô, asainao “miambina” izahay, mba ho vonona hitsena Anao amin'ny andro hiavianao; nefa mahangoly anay ny fahosanay, sy ny haizina arakotry ny fahotana an'izao tontolo izao; koa ampio izahay tsy ho resy, fa ho vonona handresy ny fahotana.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, raiso ny fanatitray nofantenana tamin'ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay ety an-tany no sady hahazoanay ny fanavotana mandrakizay.
Ny Tompo no handrotsaka ny soa, ka hahabe vokatra ny tany.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay, fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon'ny zava-mandalo, mba hankafizanay ny zavatry ny lanitra, ary hifikiranay amin'ny harena maharitra.
Amin'ny a1alan'i Kristy Tomponay. Amen.