Asabotsy 20 novambra 2032

Asabotsy Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 11, 4-12

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Nampijaly ny mponina tetý ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo. »

Izao no nambara tamiko, izaho Joany: Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr'ôliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan'ny Tompon'ny tany. Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy. Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo mba tsy hilatsahan'ny ranonorana amin'ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin'ny rano koa izy, ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin'ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy. Ary rahefa vita ny fanambaràn'izy ireo, dia hiady amin'ilay Biby hiakatra avy amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy; ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan'ny tanàna lehibe izay atao amin'ny teny an'ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta, eo amin'ilay namantsihana ny Tompony tamin'ny Hazofijaliana. Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan'andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo. Hifaly ny mponina etý ambonin'ny tany noho ny amin'izy ireo, hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 143, 1. 2. 9-10
Fiv.: Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko, Ilay nampianatra ny tanako hamely, ny sandriko hiady!
Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy. Ilay ampinga sy aroko, mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!
Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao! Valiha tory folo no iantsàko Anao! Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka, sy manafaka an'i Davida mpanomponao!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 20, 27-40
« Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an'ny velona. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny sasany tamin'ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin'iza ravehivavy raha mby amin'ny fitsanganan'ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.