Alatsinainy 15 novambra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.
Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fanombohan'ny Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly
Fanambaràn'i Jesoa Kristy, izay nomen'Andriamanitra azy, mba hanehoany amin'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana sy nanirahany anjely hampahalalaina an'i Joany mpanompony; ka dia io no nanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazan'i Jesoa Kristy, araka ny zavatra rehetra hitany. Sambatra izay mamaky sy ny mihano ny tenin'itý faminaniana itý ka mitandrina izay voasoratra ato anatiny; fa antomotra ny fotoana. Mamangy ny Eglizy fito any Azia izaho, Joany: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana, avy amin'Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; avy amin'ny Fanahy fito eo anoloan'ny seza fiandrianana. Manoratra ho an'ny anjelin'ny Eglizin'i Efezy: Izao no lazain'Ilay mitana ny kintana fito eo an-tanany ankavanana, sy mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin'ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny; ary manana fandeferana ianao, ka niaritra noho ny anarako, ary tsy ketraka. Saingy izao no aniniako anao: nihemotra tamin'ny fitiavana voalohany ianao. Koa tsarovinao izay nihemoranao, dia mibebaha, ka miverena amin'ny asanao voalohany.
Endrey ny hasambaran'ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin'ny lalan'ny mpanota na monina amin'ny fonenan'ny mpaneso; fa ny Lalàn'ny Tompo no sitrany; ny Lalàny no saininy andro aman'alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan'ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan'ny mpanota kosa, mamery!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 18, 35-43Tamin'izany andro izany, nony mby tao akaikin'i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: “Inona izany?” Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: “Ry Jesoa Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko.” Noraran'izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: “Ry Zanak'i Davida ô, mamindra fo amiko e!” Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: “Inona no tianao hataoko aminao?” Ary hoy izy: “Mba hahiratra aho, Tompoko.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao.” Niaraka tamin'izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an'Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an'Andriamanitra.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.
Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.