Zoma 29 oktobra 2032

Zoma Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fil. 1, 1-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy

« Izay nanomboka asa soa tao aminareo dia hahatanteraka izany hatramin'ny andron'i Kristy. »

I Paoly sy i Timôte, mpanompon'i Jesoa Kristy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny pretra sy ny diakra any Filipy: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Misaotra an'Andriamanitra isaky ny mahatsiaro anareo aho; ary mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra, noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely, hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny; sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo, dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin'ny andron'i Jesoa Kristy. Ary rariny ny hiheverako anareo rehetra toy izany, satria efa mby ato am-poko ianareo rehetra, noho ianareo rehetra mpiombona ny fahasoavana ananako, na amin'ny fifatorako, na amin'ny fampandreseko lahatra sy fanamafisako orina ny Evanjely. Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon'i Kristy Jesoa indrindra aho. Ary izao no angatahiko aminy, dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin'ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo, mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa, dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin'ny andron'i Kristy ianareo, ary feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin'i Jesoa Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 110, 1-2. 3-4. 5-6
Fiv.: Lehibe ny asan'ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny asan'ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan'ny Tompo; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin'ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny Lovan'ireo firenena.

Aleloia. Aleioia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Aleloia. Aleioia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 1-6
« Raha latsaka amin'ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy na dia sabata aza ny andro? »

Indray sabata, raha niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisianina anankiray i Jesoa, dia nitsikilo Azy izy ireo. Ary indro nisy lehilahy anankiray manirano teo anatrehany. Dia niteny i Jesoa ka nanao tamin'ny mpampianatra ny Lalàna sy ny Farisianina hoe: “Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro sabata?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia noraisin'i Jesoa tamin'ny tanany kosa ralehilahy ka nositraniny ary nalefany handeha, izay Izy vao nilaza tamin'izy ireo hoe: “Raha latsaka amin'ny fantsakana lalina ny ampondra na ny ombinareo, iza aminareo no tsy hanafaka azy faingana na dia sabata aza ny andro?” Fa tsy nanan-kavaly an'izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.