Talata 26 oktobra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an'i Kristy. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken'ny Eglizy an'i Kristy no tsy maintsy aneken'ny vehivavy ny vadiny koa amin'ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan'i Kristy ny Eglizy, sy hahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin'ny fanasana amin'ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny Lalany! Mahazo voka-tsoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao solofon'ôliva manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra hiainanao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 13, 18-21Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voromanidina ny rantsany.” Dia hoy indray Izy: “Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarinina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.