Asabotsy 23 oktobra 2032

Asabotsy Fahasivy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 16, 6. 8

Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Efez. 4, 7-16

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy

« I Kristy no loha izay iankinan'ny tena manontolo. »

Ry kristianina havana, samy manana ny ambaratongany ny fahasoavana nomen'i Kristy antsika tsirairay avy. Izany no anaovan'ny Soratra Masina hoe: “Niakatra any ambony Izy, nitondra olona maro ho babo, ary nanome fanomezana maro ho an'ny olona.” Inona no ilazana hoe niakatra Izy, afa-tsy noho Izy efa nidina ho any ambanin'ny tany koa? Ary tsy iza Ilay nidina fa Ilay niakatra any ambonin'ny Lanitra rehetra ihany, mba hamenoany ny zavatra rehetra. Dia Izy no nanome ny sasany ho Apôstôly, ny sasany ho Evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra, mba samy hanana ny fandraharahany avy, amin'ny fandavorariana ny olona masina, dia amin'ny fandrafetana ny Tenan'i Kristy, mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisam-pinoana amam-pahalalana lavorary ny Zanak'Andriamanitra, sy ho lehilahy lehibe tonga ohatra, mahatratra ny halehibeazana amam-pahafenoan'i Kristy; dia tsy ho zaza intsony isika, ka tsy ho azon'ny rivotry ny fampianaran-tsamihafa rehetra ahilangilana sy avezivezy, tsy ho voafitaky ny saim-petsy itarihan'ny olona ho amin'ny hevi-diso; fa hanaraka ny marina amin'ny fitiavana, ka hitombo hatrany hatrany amin'ny zavatra rehetra, amin'ny firaisana amin'ny Loha dia i Kristy, Izy no iankinan'ny tena manontolo, ka mahatonga ny rantsam-batana rehetra hilamina fatratra, hitambatra mafy, hifanampy hatrany, samy miasa araka ny anjarany tsirairay avy, ka mitombo sy toa mandrafitra tena amin'ny fitiavana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5
Fiv.: Faly aho nilazana hoe: Andao ho any an-tranon'ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra, nilazana fa hizotra ho any an-tranon'Izy Tompo. Indro tonga soa 'zahay, tapitr'eto re ny dia. Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon'Izy Tompo. Ao ny Anaran'Izy Tompo ho derain'i Israely. Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao, ary miorina ao anivony ao ny tranon'i Davida.

Aleloia. Aleloia.
Fa ny tenin'Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 1-9
« Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra. »

Tamin'izany andro izany, nisy olona sasany tonga nilaza tamin'i Jesoa ny nanjò an'ireo Galileanina fa nalatsak'i Pilaty niaraka tamin'ny soron'izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: “Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin'ny folo maty nianjeran'ny tilikambon'i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Vavaka Fanolorana

Kômonio Sal. 32, 18-19

Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.