Alarobia 13 oktobra 2032

Alarobia Fahavalo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 129, 3-4

Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Gal. 5, 18-25

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia

« Izay an'i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony tamin'ny Hazofijaliana. »

Ry kristianina havana, raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny Lalàna intsony. Ary miharihary ny asan'ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana, fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy, fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona, fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany. Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao: fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po, hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana, fahalemem-panahy, fahalalana onona; tsy misy izay Lalàna mikasika an'ireo. Izay an'i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony mbamin'ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin'ny Hazofijaliana. Velona amin'ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin'ny Fanahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Fiv.: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao.

Endrey ny hasambaran'ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy tsy mandeha amin'ny lalan'ny mpanota na monina amin'ny fonenan'ny mpaneso; fa ny lalan'ny Tompo no sitrany, ny Lalàny no saininy andro aman'alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan'ny olo-marina, fantatry ny Tompo, ny lalan'ny mpanota kosa, mamery!

Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 11, 42-46
« Loza ho anareo, Farisianina, fa mampitondra entan-tsy zaka ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe: “Loza ho anareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an'Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Loza ho anareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin'ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin'ny olona fa tsy fantany.” Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.” Fa hoy i Jesoa: “Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an'izany akory.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.

Kômonio Sal. 33, 11

Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.