Alarobia 06 oktobra 2032

Alarobia Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Est. 13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Gal. 2, 1-2. 7-14

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia

« Fantany koa ny fahasoavana nomena ahy. »

Ry kristianina havana, efatra ambin'ny folo taona taorian'ny nibebahako, dia niakatra tany Jerosalema indray aho; i Barnabe niaraka tamiko, i Tito nentiko koa. Fanambaràna azoko no niakarako tany; ka nasehoko tamin'izy ireo, indrindra fa tamin'ireo nanan-kaja kokoa, ny Evanjely torìko any amin'ny Jentily, hahitany na efa nihazakazaka tokoa aho, na efa nihazakazaka foana. Nony hitany aza fa izaho no nametrahana ny Evanjely ho an'ny tsy voafora, tahaka an'i Piera ho an'ny voafora, satria izay niasa tamin'i Piera haha-Apôstôly azy amin'ny voafora ihany no niasa tamiko koa haha-Apôstôly ahy ho an'ny Jentily, sady fantany koa ny fahasoavana nomena ahy, dia ny nandray tanana anay sy i Barnabe no nataon'i Jakôba sy i Sefasy ary i Joany, izay natao ho andry fiankinana, ary izany no mariky ny firaisana, na izahay aza ho any amin'ny Jentily, fa izy ireo kosa ho any amin'ny voafora. Hany hafany dia ny hahatsiarovanay ny mahantra; ka zavatra nahazoto ahy rahateo ny hanao izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 116, 1. 2.
Fiv.: Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely.

Ianareo firenena rehetra, aoka hiara-midera ny Tompo. Ry vahoaka eran-tany tontolo, aoka hiantsa ny Tompo ianareo.
Ny fitiavany anay tsy mba lefy, tsy mivadika mandrakizay! Hankalaza ny Tompo àry isika: Izy Tompo manjaka amintsika.

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 11, 1-4
« Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin'ny fitoerana anankiray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: “Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran'i Joany ny mpianany.” Ary hoy Izy taminy: “Raha mivavaka ianareo manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan'andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin'ny fitaoman-dratsy izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Kômonio Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.