Asabotsy 02 oktobra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Namaly ny tenin'ny Tompo i Jôba ka nanao hoe: “Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao. Iza moa izato manamaizina ny fandaharan'Andriamanitra tsy amim-pahalalana? Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho, ny amin'ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro! Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio. Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao, fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao. Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin'ny vovoka sy ny lavenona.”
Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana fa izaho matoky ny baikonao! Soa ho ahy ny nomenao fijaliana, mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao: ara-pahamarinana no ampahorianao ahy! Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana, hahafantarako ny fanambarànao! Vavahady mazava ny teninao, sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 17-24Tamin'izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.