Talata 28 septambra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Niloa-bava i Jôba ary nanozona ny andro nahaterahany izy. Nanomboka niteny i Jôba nanao hoe: “Ho foana anie ny andro nahaterahako, mbamin'ny alina nanao hoe: 'Misy olona iray vao torontoronina.' Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka! Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo! Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo? Ary nahoana no misy nono roa hotsentsefiko? Fa toy izay aho efa nandry ary niadana, efa natory sy niala sasatra, miaraka amin'ireo mpanjaka sy lehiben'ny tany, izay efa nahavita fasan-dehibe ho an'ny tenany; sy amin'ireo andrian-dahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany. Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra; sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro. Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy; any, miala sasatra ny olona lany hery. Nahoana no atao mahita masoandro ny ory, sy omena ny aina ireo vonton'ny hangidy ny fanahiny, manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana; katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra, fa sambatra izy ireo, sady mientan-kafaliana, ary miravoravo raha sehatra ny fasana; dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany, sy voafefin'Andriamanitra hatraiza hatraiza!”
Tompo Andriamanitra ô! andro aho mitaraina! alina mitoloko eo anoloanao! Ho tonga eo anoloanao anie ny fivàvako! Manongilàna sofina amin'ny antsoko!
Fa hetsa-pahoriana ny fanahiko, tafapaka amin'ny Seoly ny aiko! Efa naman'ny mitsitra any an-davaka aho, toy ny mpiady afa-kery!
Eo afovoan'ny maty ny fandriako; izaho mova tsy ny maty ao am-pasana izay tsy tsaroanao intsony, fa he! nakipaky ny tananao!
Amin'ny vody lavaka aho no napetrakao, amin'ny lalina sy maizina indrindra! Natsindrinao ahy ny hatezeranao; ny alon-dranonao rehetra natototrao ahy!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 51-56Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an'i Jesoa eto amin'izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny tanàna anankiray tany amin'ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: “Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan'ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?” Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: “Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak'Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.” Dia nankany amin'ny vohitra hafa izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.