Alatsinainy 20 septambra 2032

Alatsinainy Fahadimy amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana

Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Ohab. 3, 27-34

Boky Ohabolana

« Ao an-tranon'ny ratsy fanahy ny ozon'ny Tompo. »

Anaka, aza mandà ny hanao soa amin'izay tokony hanaovana izany, raha mbola azonao atao koa ny manao izany aminy. Aza manao amin'ny namanao hoe: “Mandehana ka miverena; rahampitso aho manome”, raha azonao atao ny manome eo no ho eo. Aza misaina hanisy ratsy ny namanao, rahefa mitoetra mibonaika eo anilanao izy. Aza mifanditra foana aman'olona, raha tsy nahavita ratsy taminao izy. Aza mialona izay olona mpanao an-keriny, na mifidy izay lalana ombany kely akory; satria halan'ny Tompo ny olon-dratsy fanahy, fa izay mahitsy fo no hifankazarany indrindra. Ny ozon'ny Tompo dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; fa ny fonenan'ny marina kosa omeny tso-drano. Mananihany izay mpananihany Izy; ary manome fahasoavana izay manetry tena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5
Fiv.: Zovy no honina ao am-bohitrao masina, ry Tompo?

Dia izay mizotra tsy aman-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-po, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana, na manebaka ny miara-monina; tsy manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.

Aleloia. Aleloia.
Fanilo ho an'ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 8, 16-18
« Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara, fa eo ambony fanaovan-jiro no apetrany mba hahitan'izay miditra ny mazava. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na mametraka azy ao ambany farafara; fa ao ambony fanaovan-jiro no apetrany, mba hahitan'izay miditra ny mazava. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra sy haharihary. Koa tandremo àry ny fihainonareo, fa izay manana no homena, ary izay tsy manana no halaina aminy hatramin'izay heveriny ho ananany aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.

Kômonio Sal. 118, 4-5

Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.