Asabotsy 18 septambra 2032

Asabotsy Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 15, 35-37. 42-49

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Izay mamafy amin'ny fahalovana dia mijinja amin'ny tsy fahalovana. »

Ry kristianina havana, tsy hanao hoe: “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?” Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 55, 10. 11-12. 13-14
Fiv.: Hizotra eo anoloan'Andriamanitra amin'ny hazavan'ny velona aho.

Ny fahavaloko hiamboho amin'ny andro iantsoako: fantatro izany, fa Andriamanitra momba ahy!
Andriamanitra izay deraiko ny Teniny: Andriamanitra, hoy aho, no itokiako. Tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo?
Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao; hatolotro ny sorom-pisaorana Anao: fa narovanao tsy ho faty ny fanahiko, sy tsy ho solafaka ny tongotro.

Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin'Andriamanitra amin'ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin'ny faharetana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 8, 4-15
« Ireo latsaka amin'ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin'ny faharetana. »

Tamin'izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin'ny tanàna maro hanatona an'i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin'ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin'ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin'ny tsilo ka niara-naniry tamin'ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.” Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: “Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.