Alakamisy 16 septambra 2032

Alakamisy Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 15, 1-11

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Izany àry no torìnay ary izany koa no ninoanareo. »

Ry kristianina havana, ampahatsiahiviko anareo ny Evanjely notorìko taminareo, izay noraisinareo sy niorenanareo, ary hahazoanareo famonjena, raha tananareo araka ny nitoriako azy taminareo; afa-tsy raha hoe ninonino foana ianareo. Izao no zavatra nampianariko anareo ho isan'ny zavatra voalohany indrindra, araka ny nandraisako azy: maty noho ny fahotantsika i Kristy, araka ny Soratra Masina; dia nalevina Izy, sy nitsangana tamin'ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; ary niseho tamin'i Sefasy, vao tamin'ny roa ambin'ny folo. Manaraka izany dia niseho tamin'ny rahalahy tsy omby diman-jato Izy, ary mbola velona mandraka ankehitriny ny ankamaroan'ireny, fa ny sasany ihany no efa nody mandry. Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakôba Izy, vao tamin'ny Apôstôly rehetra. Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. Fa ambany indrindra amin'ny Apôstôly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apôstôly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho; saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. Koa izany ary no torìnay, na izaho na izy ireo, ary izany koa no ninoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 117, 1-2. 16-17. 28
Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Valio, ry Tranon'i Israely! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Nanandratra ahy ny tanan'ny Tompo! Naneho hery ny tanan'ny Tompo! Tsy maty aho fa velona mba hitanisa ny asan'ny Tompo!
Ianao no Andriamanitro ka isaorako! Ianao no Andriamanitro, ka asandratro!

Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 7, 36-50
« Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy. »

Tamin'izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an'i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon'ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon'ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan'ny tongony sady nitomany ka kotsan'ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin'ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.