Alatsinainy 13 septambra 2032

Alatsinainy Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 11, 17-26. 33

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Raha misy fisarahana eo aminareo, dia tsy mba ny fanasan'ny Tompo intsony no haninareo. »

Ky kristianina havana, misy zavatra tsy iderako anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy. Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany, satria tsy maintsy misy andaniny maro eo aminareo, mba hihariharian'izay olona voazaha toetra eo aminareo. Ka raha miangona ianareo, dia tsy mba ny fanasan'ny Tompo intsony no haninareo, fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17
Fiv.: Manambàra ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao manko ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana;
ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Voasoratra ao amin'ny boky ny momba ahy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko!
Eny, ato anatin'ny foko ny lalànao!

Torìko ao am-piangonam-be ny fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao;
ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: «Lehibe ny Tompo!»

Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 7, 1-10
« Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'i Israely aza. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa rahefa tapitra nampandre toriteny maro tamin'ny vahoaka, dia niditra tao Kafarnaôma. Ary nisy kapiteny anankiray nanana ankizilahy tiany tokoa, narary efa ho faty. Nony nandre ny amin'i Jesoa ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jody ho any aminy mba hangataka Azy ho avy hanasitrana ilay ankizilahiny. Ary rahefa tonga tany amin'i Jesoa izy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: “Mendrika hanaovanao izany izy, fa sady tia ny firenentsika no nanao ny sinagôgantsika aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.