Alakamisy 09 septambra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, ny fahalalana mampiebo, fa ny fitiavana no mampandroso. Raha misy manao ny tenany ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany akory izy. Fa raha misy tia an'Andriamanitra kosa dia fantany io. Koa ny amin'ny mihinan-kena naterina tamin'ny sampy, dia fantatsika fa tsinontsinona ny sampy amin'izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray monja. Na dia maro aza no antsoina hoe Andriamanitra, na any an-danitra, na etý an-tany (mova tsy ny misy Andriamanitra sy Tompo maro), iray ihany no Andriamanitra amintsika, dia ny Ray izay niavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; iray ihany no Tompo, dia i Jesoa Kristy, izay nahariana ny zavatra rehetra sy nahariana antsika koa. Mbola tsy manana izany fahalalana izany avokoa anefa ny olona rehetra, fa ny sasany mbola manao ny sampy ho zavatra toy ny taloha ihany, ka nony mihinana ny hena naterina tamin'ny sampy, dia voaloto ny kônsiansiny, satria mbola malemy. Ka very ny malemy noho ny fahalalanao, dia ny rahalahy nahafoizan'i Kristy ny Ainy. Ary raha manota amin'ny rahalahinao toa izany ianao, sy manimba ny kônsiansiny mbola malemy, dia manota amin'i Kristy. Koa raha izay hanina foana no hanafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena mandrakizay aho, mba tsy hanafintohina ny rahalahiko.
Tompo ô, mandinika ahy Ianao, ka mahafantatra. Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; mbola lavitra dia tsinjonao ny hevitro. Voadinikao aho na mamindra na miato; ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ianao no nahary tongotra aman-tanana, sy Mpiaro hatrany an-kibon'Ineny. Midera Anao aho fa mahatalanjona itý Ianao! Eny, mampitolagaga ny asanao! Fantatrao hatrizay ny fanahiko; tsy niafina taminao ny tenako.
Diniho aho, ry Andriamanitra, fantaro ny foko! Zahao toetra aho! Fantaro eritreritra! Jereo sao misy lala-mamarina ato amiko, dia tariho aho ho amin'ny lalam-pahagola.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 27-38Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an'izay mankahala anareo, misaora an'izay manozona anareo ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na alainy mbamin'ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.