Alakamisy 02 septambra 2032

Alakamisy Faharoa amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 85, 3. 5

Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!

Fangatahana

Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kô 3, 18-23

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Anareo ny zavatra rehetra, fa ianareo an'i Kristy ary i Kristy an'Andriamanitra. »

Ry kristianina havana, aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin'izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Ny hafetsen'ny hendry no hamandrihako azy”; ary koa hoe: “Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.” Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; ianareo kosa an'i Kristy, ary i Kristy an'Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6
Fiv.: An'ny Tompo ny tany sy izay mameno azy.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa; dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin'ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny endrik'Ilay Andriamanitra Tompo.

Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 5, 1-11
« Nandao ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy. »

Tamin'izany andro izany, raha teo amoron'ny farihin'i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin'ny sambo kely anankiray izay an'i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin'ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.

Kômonio Sal. 30, 20

Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.