Alarobia 25 aogositra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
Ry kristianina havana, mandidy anareo amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika izahay, mba hisaraka amin'ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay, fa manao fitondran-tena tsy marina. Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay, fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay. Tsy mba nihina-mofon'olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman'alina, ka sasatra sy trotraka erý, mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza; tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa, fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo. Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe: Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana. Ny Tompon'ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin'ny zavatra rehetra. Homba anareo rehetra anie ny Tompo. Itý no veloma soratan'ny tanako, izaho Paoly. Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika.
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo sy mizotra amin'ny lalany! Mahazo voka-tsoa tokoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika.
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo, hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 27-32Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara, fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra. Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason'ny olona, nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana. Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, fa manamboatra ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny tsangam-baton'ny olo-marina ka manao hoe: 'Raha izahay no mba tamin'ny andron'ny razanay, dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran'ny mpaminany izahay.' Koa amin'izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona fa zanak'izay namono ny mpaminany ianareo. Fenoy àry ny famaran'ny razanareo!”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.