Alatsinainy 23 aogositra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Fiantombohan'ny taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Tesalônika
I Paoly sy i Silvano ary i Timôte mamangy ny Eglizy any Tesalônika izay tafaray ao amin'ny Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo: Homba anareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo. Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry kristianina havana, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany. Tonga reharehanay any amin'ny Eglizin'Andriamanitra ianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin'ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. Famantarana ny hamasinan'ny fitsaran'Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay antony iaretanareo ianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan'ny finoanareo, ka hankalazaina ao aminareo ny Anaran'i Jesoa Tompo, sy ianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan'ny Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.
Ihirao hira vao ny Tompo! Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo! Hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina.
Torio ny Famonjeny mahafaly! Ambarao amin'ny firenena ny voninahiny! ny vahoaka rehetra, ny Asany mahagaga!
Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra, mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra! Ny andriamanitr'ireo vahoaka tsinontsinona avokoa. Ny Tompo kosa nanao ny lanitra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 13-22Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Loza ho anareo mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy fa hidianareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; ka ny tenanareo tsy miditra, ny olona hiditra sakananareo. Loza ho anareo, mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy, noho ianareo mitetitety ny ranomasina sy ny tanety mba hahazo mpianatra na dia iray aza; ka nony mahazo ianareo, dia ataonareo zanaky ny gehen'afo mihoatra indroa noho ianareo. Loza ho anareo, ry mpitari-dalana jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena izay ao amin'ny tempoly, dia voafehy izy. Ry adala sy jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny volamena sa ny tempoly izay mahamasina ny volamena? Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny ôtely, tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia voafehy izy. Ry jamba, iza no ambonimbony kokoa, ny fanatitra sa ny ôtely izay mahamasina ny fanatitra? Koa amin'izany izay mianiana amin'ny ôtely, dia mianiana aminy sy amin'izay rehetra eo amboniny; izay rehetra mianiana amin'ny tempoly, dia mianiana aminy sy amin'Ilay mitoetra ao anatiny; ary izay mianiana amin'ny lanitra, dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy amin'izay mipetraka eo amboniny.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.