Alakamisy 19 aogositra 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Izao no lazain'ny Tompo: “Hamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka, eny amin'ny firenena nanalanareo baràka azy, dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho — Teny marin'ny Tompo Andriamanitra —, rahefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho. Halaiko avy any amin'ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka hampodìko eo amin'ny taninareo. Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio; ny fahalotoanareo rehetra mbamin'ny fahavetavetanareo rehetra, hataoko afaka aminareo. Homeko fo vaovao ianareo, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo, ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany. Honina eo amin'ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.”
Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro. Tsy hodianao tsy hita, Andriamanitro, ny fanahy torotoro sy trotraka.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 22, 1-14Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny lehiben'ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray nanao itý fanoharana itý hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray izay nanao fanasana tamin'ny fampakaram-badin'ny zanany lahy, ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin'ny fampakaram-bady, fa tsy nety nankany ireo. Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe: Lazao amin'ny nasaina hoe: Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy, ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra, koa tongava atý amin'ny fampakaram-bady ianareo. Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray nankany amin'ny sahany, ny iray nankany amin'ny varony; ary ny sasany nisambotra ny ankiziny, ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.