Asabotsy 14 aogositra 2032

Asabotsy Fahasivy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 73, 20. 19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Ezek. 18, 1-10. 13b. 30-32

Bokin'i Ezekiela Mpaminany

« Hotsaraiko araka ny lalany avy ny tsirairay. »

Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Ahoana ange no anonontononanareo itý ohabolana itý, ny amin'ny tanin'i Israely, ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify! Velona Aho, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra, — tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin'i Israely. Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin'ny ray na ny fanahin'ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 30, 12-23. 14-15. 18-19
Fiv.: Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana; ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 19, 13-15
« Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an'ny tahaka azy ireny ny fanjakan'ny lanitra. »

Tamin'izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin'i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran'ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra.” Ary rahefa nametra-tanana tamin'izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Kômonio Sal. 30, 17-18

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.