Asabotsy 07 aogositra 2032

Asabotsy Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Hab. 1, 12 — 2, 4

Bokin'i Habakoka Mpaminany

« Ny marina no ho velona amin'ny finoany. »

Moa tsy hatramin'ny fiandohana va Ianao, ry Tompo Andriamanitro, ilay Masiko? Tsy ho faty izahay, Tompo ô, ny nanorenanao izany vahoaka izany dia hahatanteraka ny rariny, ny mba hamay no nanaovanao mafy orina azy, ry Vatolampiko. Ny masonao madio loatra, tsy hahajery ny ratsy; ary Ianao tsy mety mibanjina ny fahoriana. Ka nahoana no hojerenao fotsiny ireo mpamitaka; ary hangina Ianao raha mihinana ny marina noho izy, ny ratsy fanahy? Hataonao toy ny hazan-dranomasina va ny olombelona, sy toy ny biby mandady tsy manan-dehibe?... Fa alainy amin'ny fintana izany rehetra izany, sy sarihiny amin'ny haratony, ary angoniny amin'ny harato tarihina, ka dia mifaly sy mientan-karavoana izy. Ka noho izany, izy manao sorona ho an'ny haratony, sy manatitra emboka manitra ho an'ny haratony tarihiny: satria ireo no ahazoany anjara hanina matavy sy sakafo matsiro. Hitohy mandrakariva va ny fandoarany ny ao amin'ny haratony, sy ny famonoany, tsy ananany antra ny firenena?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 9, 8-9. 10-11. 12-13
Fiv.: Ianao, ry Tompo, tsy mandao izay mitady Anao.

He! Jereo: mitoetra ny Tompon'izao rehetra izao; mijoro ny Fiketraham-pitsarany: mitsara an'izao tontolo izao ara-drariny Izy, sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Ny Tompo no fiarovana-avon'ny ampahoriana, fiarovana-avo amin'ny andro mahatahotra. Izay mahalala ny Anaranao, matoky Anao: fa Ianao, ry Tompo, tsy mandao izay mitady Anao!
Antsao ny Tompo izay mitoetra ao Siôna! Ambarao ny vahoaka ny asany ambony: fa miahy izay mitomany Izy, mahatsiahy ny tolokony, tsy manadino ny senton'ny ory.

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 17, 14-19
« Raha manam-pinoana ianareo, tsy hisy tsy ho azonareo atao. »

Tamin'izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: “Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.” Ary namaly i Jesoa nanao hoe: “Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy.” Dia norahonan'i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin'izay razazalahy. Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: “Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?” Hoy i Jesoa taminy: “Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: 'Mifindrà erý ianareo', dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.