Alatsinainy 02 aogositra 2032

Alatsinainy Fahavalo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 28, 1-17

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Henoy, ry Ananiasa: Tsy nirahin'ny Tompo ianao, ka nataonao izay itokian'itý vahoaka itý amin'ny lainga. »

Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Sedesiasa, mpanjakan'i Jodà, tamin'ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko teo an-tranon'ny Tompo, teo anatrehan'ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Ananiasa, mpaminany, zanak'i Azôra, avy any Gabaona, nanao hoe: “Izao no lazain'ny Tompon'ny tafika, Andriamanitr'i Israely: Efa notapahiko ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilôna. Roa taona sisa dia haveriko amin'itý fitoerana itý ny fanaka rehetra tao an-tranon'ny Tompo nalain'i Nabokodônôzôra, mpanjakan'i Babilôna, avy amin'itý fitoerana itý, ka nentiny ho any Babilôna. Ary hampodiako amin'itý fitoerana itý i Jekôniasa, zanak'i Jôakima, mpanjakan'i Jodà, mbamin'ny babo rehetra amin'i Jodà lasa tany Babilôna — teny marin'ny Tompo, — fa hotapahiko ny jiogan'ny mpanjakan'i Babilôna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 29 sy 43. 79 sy 80. 95 sy 102
Fiv.: Ampianaro ahy, ry Tompo, ny fitsipikao.

Halaviro ahy ny lalan'ny lainga; ny lalànao no aoka hanenika ahy! Aza alàna amin'ny vavako ny tenim-pahamarinanao: fa ny satanao no antenaiko!
Aoka hitodika amiko izay matahotra Anao, sy mahalala ny fanambarànao! Ho amin'ny fitsipikao anie ny foko tontolo! tsy ho azon-kenatra aho!
Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy: fa ny fanambaranao no hadihadìko! Tsy mba miala amin'ny satanao aho; eny, Ianao tokoa no mampianatra ahy!

Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 14, 13-21
« Niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nitso-drano ny mofo dia nomeny ny mpianany ary nozarain'ny mpianany tamin'ny vahoaka. »

Tamin'izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan'i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an'efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin'ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Kômonio Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.