Asabotsy 31 jolay 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Tamin'izany andro izany, hoy ny mpisorona ama-mpaminany tamin'ireo loholona sy ny vahoaka rehetra: “Mendrika hovonoina itý lehilahy itý, fa naminany loza hanjò itý tanàna itý, araka ny efa ren'ny sofinareo.” Fa niteny tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra i Jeremia nanao hoe: “Ny Tompo no naniraka ahy haminany ny zavatra rehetra efa renareo, hamelezana itý trano itý. Koa ankehitriny, ahitsio ny lalanareo sy ny ataonareo; ary mihainoa ny feon'ny Tompo Andriamanitrareo, dia hanenenan'ny Tompo ny loza nolazainy hamelezana anareo. Ary ny amiko, dia intý aho, eto an-tananareo, ka ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina. Fantaro anefa, fa raha mamono ahy ianareo, dia handatsaka ra tsy manan-tsiny aminareo sy amin'itý tany itý, ary amin'ny mponina eo aminy, satria ny Tompo marina tokoa no naniraka ahy ho atý aminareo hilaza ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo.”
Afaho amin'ny fotaka aho tsy ho difotra, fa ho afaka amin'ny firohon'ny rano lalina; tsy ho safotry ny onja na hatelin'ny hantsana, tsy hanakombonan'ny fasana ny vavany.
Fa izaho ilay ory sy nijaly kosa dia harovan'ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran'Andriamanitra ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an'Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra, ny babo tsy hainy hamavoina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 1-12Tamin'izany andro izany, ren'i Herôda tetrarka ny lazan'i Jesoa, ka hoy izy tamin'ny mpanompony: “I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.” Fa i Herôda efa nampisambotra an'i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin'i Herôdiada vadin'i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: “Tsy mahazo manambady io ianao.” Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin'ny andro nankalazana ny nahaterahan'i Herôda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavavin'i Herôdiada, ka nahafaly an'i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: “Omeo ahy eto amin'ny lovia ny lohan'i Joany Batista.” Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin'ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain'ny mpianatr'i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin'i Jesoa.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.