Alakamisy 29 jolay 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mitsangàna ianao, ka midìna ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any Aho hampandre anao ny teniko.” Dia nidina ho any an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho; ka indro izy manao ny taozavany teo amin'ny ankodina fiasàny. Ary tsy vanona kosa ny vilany nataony, araka izay mety hahazo ny tanimanga eny an-tanan'ny mpanefy, ka nanao vilany hafa, araka izay tiany hatao indray, ny mpanefy tanimanga.
Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina, miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Aza mba mitoky amin'ny manam-pahefana na amin'ny olombelona tsy afa-mamonjy: izay lasa fofon'aina, mody amin'ny tany: ka rava fikasana terý!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr'i Jakôba, sy mametraka ny tokiny amin'Andriamanitra Tompony, Ilay nanao ny lanitra, ny tany sy ny riaka, sy izay rehetra ao amin'ireny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 47-53Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?” Eny, hoy izy ireo taminy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.