Talata 27 jolay 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Hoy ny Tompo tamiko: “Lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman'alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanakavavin'ny vahoaka, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra. Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia intý ny fahoriana avy amin'ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin'ny tany tsy fantany.”
Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy; noho ny Voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao ny senton'ireo mpigadra!
Araka ny halehiben'ny sandrinao, afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao amin'ny taranaka mifandimby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 36-43Tamin'izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin'ny ahi-dratsy.” Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak'ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan'izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin'ny afo no hatao raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak'Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin'ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin'izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin'ny Fanjakan'ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.