Alakamisy 22 jolay 2032

Alakamisy Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jer. 2, 1-3. 7-8. 12-13

Bokin'i Jeremia Mpaminany

« Nafoiny Aho, Izaho loharano velona, fa fantsakana tsy mahatan-drano no nohadiany ho azy. »

Tonga tamiko ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Mandehana ataovy antso avo ho ren'i Jerosalema izao teny izao: Izao no lazain'ny Tompo: Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko fony ianao mbola tanora; ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an'efitra, tany amin'ny tany tsy famafazana. Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an'ny Tompo; dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, — teny marin'ny Tompo. Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo, nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo ho fahavetavetana ny lovako. Ny mpisorona tsy nanao hoe: “Aiza ny Tompo?” Ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy; ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin'ny anaran'i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny. Mitalanjona amin'izany, ry lanitra, mangovita sy mangorohoroa mafy ianareo, — teny marin'ny Tompo. Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharano velona, fa fantsakana tsy mahatan-drano no nohadiany ho azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 35, 6-7ab. 8-9. 10-11
Fiv.: Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon'aina.

Tompo ô! hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao; mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao! Toa vohitra mideza ny fitiavanao ny rariny; hantsam-be ny fitsaranao!
Saro-bidy toy inona ny hatsaram-ponao! Ny zanak'olombelona, ry Andriamanitra ô, mialoka eo ambany elatrao, mivoky amin'ny menaky ny Tranonao hetsaky ny hafinaretanao mandriaka.
Fa ao aminao ny loharanon'aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana. Mbola anehoy hatsaram-po izay mahalala Anao, sy fahamarinana izay mahitsy fo!

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 10-17
« Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. »

Tamin'izany andro izany, nanatona an'i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly Izy ka nanao taminy hoe: “Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; ka tanteraka aminy ilay faminanian'i Izaia manao hoe: 'Handre amin'ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin'ny masonareo, fa tsy hahita; fa ny fon'itý vahoaka itý efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.' Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Kômonio Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.