Talata 20 jolay 2032

Talata Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mik. 7, 14-15. 18-20

Bokin'i Mikea Mpaminany

« Harianao any ambany ranomasina ny fahotanay rehetra, ry Tompo. »

Andraso amin'ny tehinao ny vahoakanao, ry Tompo, dia ny ondry lovanao izay monina mitokana any an'ala, eo afovoan'i Karmela; aoka hiraoka any Basana sy any Galaada izy, toy ny tamin'ny andro taloha. Toy ny tamin'ny andro nivoahanao avy any amin'ny tany Ejipta, haneho zava-mahagaga aminy Aho. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, izay manesotra ny fahotana, ary mamela fahadisoana, an'izay sisa amin'ny lovanao? Tsy mba ataony mahery mandrakizay ny fahatezerany fa ny mamindra fo no sitrany. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina ny fahotany rehetra; hampiseho amin'i Jakôba ny fahamarinanao Ianao, sy amin'i Abrahama ny famindram-ponao; izay efa nianiananao tamin'ny razanay hatramin'ny andro fahataloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 84, 2-4. 5-6. 7-8
Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao.

Tsimbino, ry Tompo, itý taninao. Ny babon'i Jakôba re ampodio. Esory ny helok'ireo olonao, dia sarony ny otany. Ianao aza tezitra intsony aminay. Ny fonao vinitra re aoka izay! Ianao no Mpamonjy ka ento mba ho hody 'zahay Andriamanitra. Toneo ny hatezerana raha sitrakao, ho tezitra mandrakizay ve Ianao? Ho vinitra lava mandritra ny taona rehetra hifanaraka? Tsy hamelombelona anay va Ianao? Mba satry tokoa hiravo aminao: Ianao tsara fa misehoa mba ho vonjy, ry Tompo Andriamanitra!

Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian'ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 12, 46-50
« Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy, nanao hoe: ireo no reniko sy rahalahiko. »

lndray andro, raha mbola niteny tamin'ny vahoaka i Jesoa, dia indreo ny reniny sy ny rahalahiny nijanona teo alatrano nitady hiteny aminy, ka nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: “Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao.” Fa izao no navaliny an'ilay nilaza taminy: “Iza moa no reniko, ary zovy no rahalahiko?” Dia naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko. Fa na zovy na zovy hanao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, dia rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Kômonio Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.