Alarobia 14 jolay 2032

Alarobia Fahadimy ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 16, 15

Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Iz. 10, 5-7. 13-16

Bokin'i Izaia Mpaminany

« Mirehareha amin'ny tanana mampandihy azy va ny famaky? »

Izao no nolazain'ny Tompo: “Loza ho an'i Asora, tsorakazon'ny fahatezerako! fiasan'ny havinirako ny tehina eny an-tanany! Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe. Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin'ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana. Satria izy nanao hoe: “Ny nahefako izany dia noho ny herin'ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin'ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo. Toy ny fisambotra akany no nisamboran'ny tanako ny haren'ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!” Mirehareha amin'ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin'izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin'ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin'ny haintrano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 93, 5-6. 7-8. 9-10. 14-15.
Fiv.: Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany.

Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian'ny olon-dratsy; ny lovanao, torotoroiny; ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny; ny kamboty aripany.
Ny Tompo tsy mahita, hoy izy; ny Andriamanitr'i Jakôba tsy mahatazana! Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina! Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?
Ilay namboly ny sofina va no tsy handre? Ilay namorona ny maso no tsy hahita? Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina? Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany, na handao ny lovany ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.

Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiambaratelon'ny Fanjakanao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 11, 25-27
« Nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry Ianao fa nanambara azy tamin'ny tso-po. »

Tamin'izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe: “Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nanafina izany zavatra izany tamin'ny hendry sy be saina Ianao, ary nanambara azy tamin'ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen'ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra, ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian'ny Zanaka hanehoana Azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Kômonio Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.