Zoma 02 jolay 2032

Zoma Fahatelo ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 46, 2

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Amôsy 8, 4-6. 9-12

Bokin'i Amôsy Mpaminany

« Hanirahako hanoanana amin'ny tany, tsy mba hanoanana amin'ny mofo fa faniriana te-handre ny tenin'ny Tompo. »

Mihainoa izao, ianareo mihinana ny mahantra, sy mitady hamongotra ny mavomavo amin'ny tany, izay manao hoe: “Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana; mba hahazoantsika mivarotra vary; ary ny sabata mba hamohantsika ny tranom-bary, ka ny efaha hohakelezina; ny sikla hampitomboina; ny mizàna hatao mandainga, hamitahana. Dia hovidintsika vola ny fadiranovana, ary ny mahantra, noho ny amin'ny kapa iray lomisy, sady hivarotantsika ny vary lohakororoka?” Amin'izany andro izany, izao no hitranga, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra —: Ny masoandro halentiko mitatao vovonana; ary ny tany hosaronako haizina amin'ny andro tony tsara. Ny fetinareo hampodîko ho fisaonana; ny hira fifalianareo ho fitomaniana; ny andilanareo rehetra hosikinako lasàka, ny loha rehetra hataoko sola; ny tany hataoko hoatra ny misaona zanakalahy tokana; ary ny farany, ho tahaka ny andro mangidy. Indro tamy ny andro, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra, — hanirahako hanoanana amin'ny tany; tsy mba hanoanana momba ny mofo, na hetaheta momba ny rano, fa ny faniriana te-handre ny Tenin'ny Tompo. Dia hirenireny hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina izy ireo, hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana; hivezivezy atsý sy arý, hitady ny tenin'ny Tompo, nefa tsy hahita izany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 2 sy 10. 20 sy 30. 40 sy 131.
Fiv.: Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.

Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny, sy mitady Azy amin'ny fony tontolo. Mitady Anao amin'ny foko tontolo aho, koa aza avela handao ny baikonao.
Ny fanahiko torotoro maniry ny Satanao lalandava. Ny lalan'ny fahamarinana no nofidìko. Ny Satanao tsy hadinoiko.
Indro manina ny lahatrao aho: koa velomy amin'ny fahamarinanao. Misokatra ny vavako; miemponempona aho: ny baikonao no mahaliana ahy.

Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 9-13
« Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona. »

Tamin'izany andro izany, tao Kafarnaôma, nony niala teo amin'ilay malemy nositraniny i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio, nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy: “Andeha hanaraka Ahy ianao.” Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany. Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Nahoana itý Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny poblikanina sy ny mpanota?” Fa hoy i Jesoa nandre izany: “Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary. Mandehàna ary ianareo ka fantaro ny hevitr'izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.

Kômonio Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.