Asabotsy 26 jona 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fitomaniana
Noravan'ny Tompo, tsy nananany antra, ny fonenan'i Jakôba rehetra. Narodany tamin'ny hatezerany ny mandan'ny zanakavavin'i Jodà. Nazerany amin'ny tany ireo; nohamavoiny ny fanjakana ama-mpanjaka. Mipetraka mangina amin'ny tany, ny loholon'ny zanakavavin'i Siôna; nasiany vovoka ny lohany; mitafy lasàka mitanondri-doha amin'ny tany, ny virjinin'i Jerosalema. Levona azon'ny ranomaso ny masoko, mangotika ny atiko; mitsonika amin'ny tany ny atiko, noho ny ratran'ny zanakavavin'ny vahoakako, raha ilay toran'ny harerahana iny ny ankizy aman-jaza minono, any amin'ny kianjan'ny tanàna. Hoy izy amin-dreniny: “Aiza no misy mofo sy divay?”, dia lavo toy ny voan'ny sabatra izy, eny amin'ny kianjan'ny tanàna, ary miala aina eny an-trotroan'ny reniny. Inona no azoko lazaina aminao? Iza no mety ho hita mitovy aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Iza no hohariko aminao, mba hampiononako anao, ry virjiny, zanakavavin'i Siôna? Fa lehibe hoatra ny ranomasina ny ratranao; iza no hanasitrana anao? Ny hitan'ny mpaminaninao ho anao, dia fahitana mpamitaka sy foana. Tsy naneho ny helokao taminao izy, mba hamily tsy hihatra aminao ny fahababoana, fa ny nolazainy taminao ho fahitàna, dia teny mandainga sy mandrebireby. Mitaraina amin'ny Tompo ny fon'izy ireo! Ry mandan'ny zanakavavin'i Siôna ô! Avelao handriaka hoatra ny riaka ny ranomasonao, andro aman'alina; aoka tsy hanam-pitsaharana ny anakandriamasonao! Aza mety mijanona akory. Mitsangàna; miantsoantsoa mandritra ny alina, hatramin'ny filatsahan'ny fiambenana; aidino hoatra ny rano ny fonao, eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo! Manandrata tanana aminy, ho an'ny ain'ny zanakao madinika, izay lavo toran'ny hanoanana, eny an-joron-dalana rehetra eny.
Ahoana Ianao, ry Andriamanitra, no manary lalandava? no midonaka hatezerana amin'ny ondry fiandrinao? Tsarovy ilay Fiangonana azonao fahiny, izay navotanao sy foko lovanao: dia ny vohitra Siôna, ilay niorenanao fonenana.
Mba aingao lahy ny dia hankamin'ireo zava-drava ela: fa ny ao amin'ny toerana masina anie tsy misy tsy simban'ny fahavalo! Dia ao an-dainao ny rafinao no manerona, sy mampijoalajoala ny fanevany, mandabodaboka, manjanjana famaky: toy ny mitevy ala mikitroka!
Na rafitra na sokitra dia voazera famaky sy kanonta! Ny toeranao masina tsolofana afo; ny fonenan'ny Anaranao zimbaina eny am-bovoka!
Diniho fa ny fanekenao tomombany atý an-kaizinana voatery iereny. Ny malahelo, ny mahantra, aza avela hangaina; ny ory, aoka hidera ny Anaranao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 8, 5-17Tamin'izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe: “Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ho avy hanasitrana azy Aho.” Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: “Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin'ny iray hoe: “Andeha ianao”, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray hoe: “Avia ianao”, dia avy Izy; ary ny ankiziko: “Ataovy izao”, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin'izay nanaraka Azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin'i Israely. Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin'ny fihinanam-be miaraka amin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ny zanaky ny fanjakana kosa, dia hariana any amin'ny maizina any ivelany; any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.” Ary hoy i Jesoa tamin'ilay kapiteny: “Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.” Dia sitrana tamin'izany ora izany ilay ankiziny.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.