Alarobia 23 jona 2032

Alarobia Faharoa ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Mpanj. 22, 8-13 ; 23, 1-3

Boky faharoan'ny Mpanjaka

« Novakîn'ny mpanjaka teo anatrehan'izy ireo ny teny rehetra tao amin'ny bokin'ny fanekem-pihavanana izay hita tao amin'ny tranon'ny Tompo, ka nanao ny fifanekem-pihavanana teo anatrehan'ny Tompo izy. »

Tamin'izany andro izany, izao no nolazain'i Helkiasa mpisorona lehibe tamin'i Safàna mpanoratra: “Hitako tao an-tranon'ny Tompo ny bokin'ny Lalàna.” Ary natolotr'i Helkiasa an'i Safàna ny boky ka novakîny. Rahefa izany, nandeha hilaza ny toe-draharaha amin'ny mpanjaka i Safàna mpanoratra ka nanao hoe: “Efa nalain'ny mpanomponao avokoa ny vola hita tao an-trano, ka napetrany eo an-tanan'izay mandraharaha ny asa, izay voatendry ho mpitandrina ao an-tranon'ny Tompo.” Izao koa no nampandrenesin'i Safàna mpanoratra ny mpanjaka: “Misy boky nomen'i Helkiasa mpisorona ahy”; sady novakîny teo anatrehan'ny mpanjaka. Nony nandre ny teny tao amin'ny Lalàna ny mpanjaka, dia nandrovitra ny fitafiany, sady nanome didy an'i Helkiasa mpisorona, sy i Ahikama zanak'i Safàna sy i Akôbôra zanak'i Mikà, sy i Safàna mpanoratra ary i Asaiasa mpanompon'ny mpanjaka hoe: “Mandehana ianareo manontany amin'ny Tompo ho ahy sy ny vahoaka mbamin'i Jodà rehetra, ny amin'ny teny ato amin'itý boky vao hita itý, fa nirehitra mafy amintsika ny fahatezeran'ny Tompo, noho ny tsy naneken'ny razantsika ny tenin'itý boky itý, amin'ny fanatanterahana izay rehetra nandidiana antsika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 118, 33-34. 35-36. 37 sy 40.
Fiv.: Tompo ô, toroy ny lalan'ny fitsipikao aho.

Tompo ô, toroy ny lalan'ny fitsipikao aho, mba hitandremako azy hatramin'ny farany. Omeo fahalalana aho hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin'ny foko tontolo.
Ampizory amin'ny soritry ny baikonao aho; fa io no hafinaretako. Araikao amin'ny fanambarànao ny foko, fa tsy amin'ny fitiavan-karena.
Avilio ny masoko tsy hijery zava-poana; velomy amin'ny lalanao aho. Indro manina ny lahatrao aho; koa velomy amin'ny fahamarinanao.

Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin'Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin'ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin'Andriamanitra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 7, 15-20
« Ny voany no hahafantaranareo azy. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian'ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na voan'aviavy amin'ny hery? Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Kômonio Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.