Alahady 13 jona 2032

Alahady Faharaika ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona A

Fanombohana ny Sorona Masina

IANAREO NO FANJAKA-MPISORONA

Tononkira fidirana

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay; ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra, ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao, mba hifanaraka amin'ny sitra-ponao na ny hevitray na ny asanay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 19, 2-6a

Boky Eksaody

« Ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy. »

Tamin'izany andro izany, nony tonga tany amin'ny efitr'i Sinaia ny zanak'i Israely, dia nitoby tao an'efitra; tandrifin'ny tendrombohitra no nitobian'i Israely. Niakatra ho ao amin'Andriamanitra i Môizy, dia nantsoin'ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra, ka nilazany hoe: “Izao no holazainao amin'ny taranak'i Jakôba sy hambaranao amin'ny zanak'i Israely: Hitanareo ny nataoko tamin'i Ejipta sy ny nitondrako anareo tamin'ny ela-boromahery ary ny nitarihako anareo ho aty amiko. Koa ankehitriny raha mihaino ny feoko ianareo sy mitandrina ny fanekeko, dia ho vahoakako manokana eo amin'ny firenena rehetra, satria Ahy ihany ny tany rehetra, fa ianareo no fanjakà-mpisorona sy firenena masina ho Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Sal. 99, 2. 3. 5.
Fiv.: Isika no vahoaka sy ondry fiandriny.

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika,
vahoakany sy ondry andrasany.
Eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany
amin'ny taona rehetra ny fahamarinany!

Vakinteny faharoa Rôm. 5, 6-11

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma

« Fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny Rany izao. »

Ry kristianina havana, fony mbola tsy nanankery isika, dia maty tamin'ny fotoana voatendry i Kristy, mba hamonjy ny ratsy fanahy. Saika tsy misy manaiky ho faty hamonjy ny olo-marina; ary angamba hisy ihany sahy maty hamonjy ny manao soa. Fa izao kosa no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: fony mbola mpanota isika no maty hamonjy antsika i Kristy; koa mainka fa izao efa nohamarinina tamin'ny Rany izao, dia tsy maintsy afany amin'ny hatezerana mihitsy. Satria raha fony mbola fahavalo aza isika nampihavanina tamin'Andriamanitra noho ny nahafatesan'ny Zanany, mainka fa rehefa nampihavanina dia tsy maintsy voavonjy noho ny fahavelomany tokoa. Tsy izany ihany koa, fa isika dia mifaly amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika, Izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Aleloia. Aleloia.
Fihobiana ny Evanjely Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 9, 36 - 10, 8
« Niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy Izy. »

Tamin'izany andro izany i Jesoa dia onena nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin'ny Tompom-bary mba haniraka mpijinja amin'ny variny.” Ary niantso ny mpianany roa ambin'ny folo lahy Izy, ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran'ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy: Ny voalohany dia Simôna izay atao hoe Piera, dia Andre rahalahiny, Jakôba zanak'i Zebede sy Joany rahalahiny, Filipo sy Bartelemy, Tômà sy Matio ilay poblikanina, Jakôba zanak'i Alfe sy Tade, Simôna ilay Kananeanina ary Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin'ny folo lahy izay hirahin'i Jesoa rehefa nohafatrafarany hoe: “Aza manaraka ny lalana mankany amin'ny Jentily ary aza miditra amin'ny tanànan'ny Samaritanina, fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: 'Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra'. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !
Ranombavaky ny mpino

Tompo ô, tsy mitsahatra mifidy olona Ianao hanohy ny asa nankininao tamin'ny Apôstôly, koa tsinjovy ny Eglizinao amin'izao andro sarotra izao; ary omeo hery ireo voaantso hahatontosa ny nanirahanao azy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra atolotra ireto, no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.

Prefasy Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.

: Alahady tsotra I, ohatra.

Kômonio Jo. 17, 11

Ny zavatra angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra iainako.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao; ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.