Alarobia 09 jona 2032

Alarobia Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Mpanj. 18, 20-39

Boky voalohan'ny Mpanjaka

« Mihainoa ahy, ry Tompo, mba hahafantaran'itý vahoaka itý fa Ianao no Tompo Andriamanitra, ary Ianao ihany no mampiverina ny fon'izy ireo indray. »

Tamin'izany andro izany, dia naniraka nankany amin'i Israely rehetra i Akaba sy namory ny mpaminany ho any an-tendrombohitra Karmela. Ary i Elia tamin'izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: “Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha ny Tompo no Andriamanitra manaraha Azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.” Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka. Dia hoy i Elia tamin'ny vahoaka: “Izaho irery no sisa amin'ny mpaminanin'ny Tompo, fa misy dimampolo amby efa-jato kosa izy no mpaminanin'i Baala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 15, 1-2a. 4. 5. sy 8. 11
Fiv.: Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao.

Andriamanitra Tompo ô, ambeno. F'Ianao re no hany ifefeko. Hasambarako tokana an-tany. Ka ireny sampy hamaroina, tsy hanaovako sorona intsony; tsy ho tononiko anarana akory.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay. Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala eo ankavanako Izy.
E ny lalan'ny fiainana izao, dia hatoronao ahy hatrany, ka mameno hafaliana ny foko. Ho finaritra mandrakizay, 'zay mitoetra eo ankavananao hasambarana tsy mety ritra.

Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 17-19
« Tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. »

Tamin'izany andro izany, hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna sy ny Mpaminany; tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny Lalàna na dia i iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra. Koa amin'izany izay handika ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin'ny fanjakan'ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.