Alahady 30 mey 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
I JESOA ZANAK'ANDRIAMANITRA NO MOFON'NY FIAINANA
Nofahanany vary matsiro izy, ary novokisany tantely remby.
Andriamanitra ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin'izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao anay.
Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin'Andriamanitra Ray ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deterônômy
Tamin'izany andro izany, niteny tamin'ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Tsarovy ireo lalana rehetra izay nasain'ny Tompo Andriamanitrao nandehananao tany an'efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalany izay hevitra ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. Nampietry tena anao Izy, sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin'ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa izay rehetra mivoaka avy amin'ny vavan'Andriamanitra no iveloman'ny olona. Aza hadinoina ny Tompo Andriamanitrao, Izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tamin'ny trano fanandevozana, Izay nitondra anao tany an'efitra lehibe sy mahatahotra, misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin'ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; Izay nampiboiboika rano ho anao avy amin'ny vatolampy mafy indrindra, Izay nanome mana hohaninao tany an'efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory”.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema; derao ny Andriamanitrao, ry Siôna: fa ny vavahadinao ataony tsara hidy, ny zanakao anivonao tahîny.
Ny faritaninao fenoiny fiadanana, izaitratra sy fy ny vary omeny anao. Alefany eto an-tany ny teniny, ka miriotra mitety ny tontolo.
Nambarany tamin'i Jakôba ny teniny, tamin'i Israely ny didy aman-tsatany: tsy nanaovany izany ireo hafa firenena, ny satany tsy mba nasehony an'ireny.
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny Ran'i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakîntsika, tsy firaisana amin'ny Tenan'i Kristy va? Satria iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa Mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md Joany
Jo. 6, 51-59Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny vahoaka Jody nanao hoe: “Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan'izao tontolo izao”. Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon'Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin'izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon'ny Zanak'olona ianareo, sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin'ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Tafavory manotrona an'i Kristy isika anio, dia i Kristy ilay mamelona antsika amin'ny Vatany sy ny Rany ao amin'ny Eokaristia: koa akambano amin'ny Azy ny vavaka ataontsika, mba hamelomany an'izao tontolo izao amin'ny AINY entiny ho antsika.
Tompo ô, vorînao ny vahoakanao ary velominao amin'ny Eokaristia Masina; koa enga anie ny fandraisanay anjara amin'ny fankalazana ny Eokaristia mba hanavao lalandava ny ainay am-panahy sy hampifankatia anay marina tokoa.
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy miray fo sy miadana ny Eglizinao, fa izany no ambaran'ireto fanatitra atolotray ireto.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, hoy ny Tompo, dia mitoetra ao amiko ary Izaho ao aminy.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy faly mahita Anao Andriamanitra mandrakizay, fa izany no santarinay rehefa mandray ny Vatanao sy ny Ranao masina ety an-tany.
Fa Ianao velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.