Zoma 28 mey 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahaory aho, nafahany satria tiany!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Piera Apôstôly
Ry kristianina havana, efa akaiky ny faran'ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka. Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Mifampiantranoa ka aza asiana monjomonjo. Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen'Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara. Izay miteny, aoka ho toy ny milaza ny tenin'Andriamanitra; izay manana fandraharahana, aoka ho toy ny omban'Andriamanitra fitahiana, mba hankalaza an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, izay Tompon'ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay. Amen.
He! ny Tompo irery no Mpanjaka. Itony tany: vitany mijoro. Izany rariny entiny mitsara. Mifalia, ry lanitra sy tany.
Aoka hidobodoboka ny riaka, ka hifalihavanja izany saha. Mandihiza ianao, ry hazo an'ala, anoloan'ny Tompo: Indro Izy.
Indro Izy hitsara izao tontolo izao. Itony tany itony hozakainy. Ny ambanilanitra hotsarainy, ilazany «marina» hatrany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 11, 11-26Tamin'izany andro izany, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban'ny roa ambin'ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan'ny aviavy tamin'izay. Dia hoy Izy tamin'ny aviavy: “Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay.” Ary ren'ny mpianany izany.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Avo indrindra.
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.