Alarobia 26 mey 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin'ny mahaory aho, nafahany satria tiany!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Piera Apôstôly
Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin'ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin'i Kristy, Ilay Zanak'ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, dia Ilay talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin'izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo. Tamin'ny alalany no nahazoanareo finoana an'Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an'Andriamanitra koa ny finoanareo. Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin'ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin'izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy, dia mifankatiava fatratra amin'ny fo tokoa; fa efa nateraka indray ianareo, tsy amin'ny voa mety lò, fa amin'ny voa tsy mety lò, dia ny tenin'Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay. “Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin'ny ahitra: nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny; fa ny tenin'Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.” Ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna. Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto. Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an'i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an'i Israely. Tsy misy olon-kafa nomeny izany: ny satany manko nafeniny azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 10, 32-45Tamin'izany andro izany, nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin'ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: “Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak'Olona dia hatolotra amin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin'ny jentily; dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin'ny andro fahatelo.” Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak'i Zebede ka nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.” Ary hoy Izy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Dia hoy ireo: “Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray eo ankavianao any amin'ny voninahitrao.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?” Hoy ireo taminy: “Zakanay.” Fa hoy kosa i Jesoa: “Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an'izay nanamboarana azy ihany izany.” Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin'i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin'i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: “Fantatrareo fa amin'ny fanjakan'izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak'Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo, ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.
Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran'ny Tompo Avo indrindra.
Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin'ny fiainana mandrakizay.