Alahady 25 janoary 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
MASOANDRO BE LOHATAONA I KRISTY KA TSY MIFIDY OLON-KOSOAVINA
Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no ao amin'ny toerany masina.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay, mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Toy ny nanotofan'ny andro taloha fahafahambaràka ny tany Zabolôna sy ny tany Neftali no hamenoan'ny andro farany voninahitra, ny lalan'ny ranomasina, ny tany an-dafin'i Jordany, ary ny faritanin'ny firenena. Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan'ny mazava. Nampitombo ny vahoakanao ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo. Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin'ny mpitoraka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny Tompo faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, hany ataoko aminao, ô ry Tompo: ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra iainako.
Matoky aho fa ny hasoan'ny Tompo ho hitako any amin'ny tanin'ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Ry kristianina havana, mihanta aminareo amin'ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika aho, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amimpiraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo. Reko tamin-dry i Klôe anie ny aminareo e, fa hoe misy fifandirana ao aminareo; izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: “Izaho an'i Paoly”; ny sasany kosa manao hoe: “Izaho an'i Apôlô”, na: “Izaho an'i Sefasy”. Voazarazara va i Kristy? Ary i Paoly va no voafantsika tamin'ny Hazofijaliana ho anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no natao Batemy ianareo? Tsy ny hanao Batemy no nanirahan'i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny Hazofijalian'i Kristy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 4, 12-23 (lava) 12-17 (fohy)Tamin'izany andro izany, nony ren'i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea; ka nony niala tao Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin'ny sisintanin'i Zabolôna sy Neftalî ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain'i Izaia Mpaminany hoe: Ny tanin'i Zabolôna sy ny tanin'i Neftalî, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordany, i Galilean'ny Jentily; ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny mazava. Hatramin'izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra”.
Ary raha nitsangantsangana teny amoron'ny ranomasin'i Galilea i Jesoa, dia nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy Andre rahalahiny, nanarato tao amin'ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy Izy taminy: “Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo”. Dia nandao ny haratony niaraka tamin'izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin'i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin'izay izy ireo ka nanaraka Azy. Ary i Jesoa nitety an'i Galilea manontolo, nampianatra tao amin'ny sinagôgan'ny olona, sy nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona.
Ry kristianina havana, mangataha amin'Andriamanitra mba hifidy olona mandrakariva Izy, ho Apôstôly hanaiky handao ny zavatra rehetra hanarahana an'i Jesoa Kristy; ary mivavaha ho an'ireo olona eo amin'izao tontolo izao, miezaka hampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ry Jesoa Tompo ô, mbola tetezo ankehitriny ny lalana ety aminay, hifidiananao Apôstôly; ary ampio izahay hahafoy izay tokony hilaozana, hahatonga anay ho mpanarato olona, eo amin'ny toerana tianao hanirahana anay.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.
Manatòna ny Tompo ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.