Zoma 23 janoary 2032
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky voalohan'i Samoela
Tamin'izany andro izany, naka telo arivo lahy voafantina tamin'i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an'i Davida sy ny olony, hatrany amin'ny vatolampin'ny osy dia. Tonga tamin'ny valan'ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran'i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony izany, nipetraka tao amin'ny faravodi-zohy. Ary hoy ny olon'i Davida taminy: “Itý no andro holazain'ny Tompo aminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.” Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin'i Saola. Nitepotepo mafy ny fon'i Davida taorian'izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin'i Saola. Ka hoy izy tamin'ny olony: “Hampanalavirin'ny Tompo ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko, izay voahosotry ny Tompo, ka hamely azy amin'ny tanako, satria izy no ilay voahosotry ny Tompo.” Izany no nisakanan'i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin'i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany. Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an'i Saola nanao hoe: “Ry mpanjaka tompoko ô!” Niherika nijery i Saola, dia niondrika tamin'ny tany i Davida ka niankohoka. Ary hoy i Davida tamin'i Saola hoe: “Nahoana ianao no dia maka ny vavan'olona hoe: Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida? Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran'ny Tompo anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotry ny Tompo izy. Jereo kely ange, ry ikaky, jereo itý sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa, manenjika ny aiko hanala azy amiko! Ka aoka ny Tompo no hitsara ahy sy ianao ary aoka ny Tompo no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao. Ny ratsy fanahy no iavian'ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako. Hanenjika an'iza moa no dia niaingàn'ny mpanjakan'i Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve? Aoka ny Tompo hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy Izy, ka hanafaka ahy amin'ny tananao ny didim-pitsarany.
Iantrao aho, ry Andriamanitra, iantrao! Ianao no ifefen'ny fanahiko; ny aloky ny Elatrao no ifefeko mandra-pidifin'ny loza!
Izaho miantso an'Andriamanitra Avo indrindra, Ilay Mpamaly ny ratsy atao ahy. Izy maniraka avy any an-danitra, ka mamonjy ahy amin'ny tanan'ny mpanosy!
Misandràta, ry Andriamanitra, any ambonin'ny lanitra! Eran'ny tany tontolo ny Voninahitrao! Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao: mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 3, 13-19Tamin'izany andro izany, i Jesoa niakatra tany amin'ny tendrombohitra anankiray, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy Izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony. Ary i Simôna nomeny fanampin'anarana hoe Piera; ary i Jakôba zanak'i Zebede sy i Joany rahalahin'i Jakôba, izay nomeny fanampin'anarana hoe Bôanerjesy, izany hoe zana-baratra; ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy, sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak'i Alfe, sy i Tade, sy i Simôna Zelôty, ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.