Alahady 11 janoary 2032

Fankalazana ny Batemin'ny Tompo
Loko: Fotsy

Fanombohana ny Sorona Masina

I JESOA NATAO BATEMY: TANDINDON'NY BATEMINTSIKA

Tononkira fidirana Mt. 3, 16-17

Nony vita batemy ny Tompo, dia nisokatra ny lanitra, ary ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo amboniny tahaka ny voromailala. Dia injao ny feon'ny Ray nilaza hoe «Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa».

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tamin'i Jesoa Kristy natao batemy teo amin'ny ranon'i Jordany ka nidinan'ny Fanahy Masina, dia nambaranao tamin'ny fomba manetriketrika fa Zanakao malalanao Izy; koa enga anie izahay zanaka natsanganao, nateraka tamin'ny rano sy ny Fanahy Masina, mba hazoto lalandava hanao izay mahafaly Anao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Andriamanitra ô, nitafy nofo tahaka anay ny Zanakao Lahy tokana; mitovy aminay Izy eto ivelany, ka enga anie hitovy aminy izahay ao anaty.
Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina, amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana
Aleloia. Aleloia.
Nisokatra ny lanitra, ary hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 3, 13-17
« Nahita ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo amboniny i Jesoa nony vita batemy »

Tamin'izany andro izany, dia tonga avy tany Galilea i Jesoa ka nanatona an'i Joany teo amoron'i Jordany mba hataony batemy; fa nandà i Joany nanao hoe: “Izaho no tokony hataonao batemy, ka Ianao indray va no mankaty amiko?” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Ekeo izao, fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra”. Dia nanaiky izy. Nony vita batemy i Jesoa, dia niala avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay, ary indro nisokatra taminy ny lanitra, ka hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny. Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: “Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko indrindra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !
Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin'izao andro ankalazana ny nanaovana batemy an'i Jesoa izao, dia mivavaha ho an'ireo rehetra nandray ny fanosorana ho zanak'Andriamanitra sy ho mpitory ny teniny, ary ho an'ireo rehetra mbola miandry ny Batemy Sakramenta haha-zanak'Andriamanitra azy, mba samy haharitra hatramin'ny farany hijoro ho vavolombelon'i Kristy sy ny finoana isika rehetra.

Fiv.: Indro fa tonga amin'ny heriny ny Tompo Andriamanitra.
• Mivavaha mba hijoro ho mpitondra ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny olombelona isika rehetra tonga zanak'Andriamanitra tamin'ny Batemy.
• Mivavaha ho an'ireo mpitondra fanjakana rehetra mba hitondrany ny vahoaka araka ny teny sy ny fahamarinana nentin'i Kristy Zanak'Andriamanitra.
• Mivavaha ho an'ireo miomana amin'ny Batemy sy ireo rehetra mangetaheta ny Batemy, mba hampanatona azy an'Andriamanitra ny fivavahana kristianina.
• Mivavaha ho an'ny mpanota mba hibebahany; ho an'ireo lavitra an'Andriamanitra mba hanatonany Azy, fa efa manatona azy Andriamanitra.
• Mivavaha ho antsika rehetra miangona eto izao, mba ho taratra amin'ny toetrantsika sy ny asantsika ny fiainam-baovao iraisantsika amin'i Kristy Jesoa.

Ry Jesoa, mpanala ny fahotan'izao tontolo izao, nietry Tena hilahatra tamin'ny mpanota Ianao, koa mihanta aminao izahay, ampio hihaino ny teninao, mba ho zanaky ny Ray marina tokoa.

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Tompo ô, raiso ireto fanatitra ankalazana ny nanambarànao an-karihary ny Zanakao malalanao; ka ny sorona atolotray mpino anie hiray amin'ny sorona nataon'i Kristy be indrafo, Ilay nanala ny fahotan'izao tontolo izao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

Prefasy

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa teo Jordany no nanambarànao ny Batemy tamin'ny fomba mahagaga mba hinoanay noho ny feo avy any an-danitra, fa ny Teninao dia monina ety aminay olombelona, ary mba hahafantaranay fa Izy Kristy, nidinan'ny Fanahy Masina, naka endri-boromailala sy nohosorany diloilo firavoana, dia nirahina hitory ny Evanjely amin'ny mahantra.
Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany, miaraka amin'ny Herin'ny lanitra, mihoby Anao avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...

Kômonio Jo. 1, 32. 34

Indro ilay notorîn'i Joany Batista hoe: «Eny, nahita aho ary nanambara fa Izy no ilay Zanak'Andriamanitra».

Vavaka aorian’ny Kômonio

Henika ny fanomezana masina izahay, ry Tompo, no mitalaho aminao: enga anie izahay nihaino ny Zanakao Lahy tokana sy mino Azy mba hantsoinao hoe zanakao, ary ho tonga zanakao tokoa.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.