Alarobia 13 novambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Tito
Ry malala, ampahatsiarovy ny mpino fa adidin'izy ireo ny manaiky ny mpitondra sy ny manam-pahefana, ka tsy maintsy manoa azy ireo izy sy vonon-kanao ny asa soa rehetra, tsy hilaza ratsy olona, tsy hifanditra, fa hifanaraka sy hampiseho halemem-panahy lehibe amin'ny olona rehetra. Fa isika koa fahiny mba efa adala, tsy nanaiky, naniasia, andevon'ny faniriana amam-pilan-dratsin'ny nofo rehetra, mpisompatra sy mpialona ka sady tandrifin'ny hankahalaina no nifankahala koa. Saingy nony niseho ny famindram-po amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona, dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika, fa noho ny famindram-pony; Izy no namonjy antsika tamin'ny fanasàna nahaterahantsika indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina, izay nampidininy be dia be tamintsika tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika; mba hohamarinin'ny fahasoavana isika ka ho tonga mpandova am-panantenana ny fiainana mandrakizay.
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin'inona aho; izaho ampiraotiny amin'ny vilo-maitso, entiny amin'ny rano manala sasatra, velombelominy fanahy.
Tarihiny amin'ny lala-marina noho ny Anarany! Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza: satria ianao miaraka amiko: ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy!
Rosoanao sakafo eo imason'ny rafiko aho: ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana no manjohy amin'ny fiainana tontolo; ny tranon'ny Tompo no fonenana taona maro mifandimby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 11-19Tamin'izany andro izany nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa, dia nanara-tsisina an'i Samaria sy Galilea. Ary raha niditra tao amin'ny vohitra anankiray Izy, dia nifanena tamin'ny boka folo lahy izay nijanona teny lavidavitra teny. Dia niantso izy ireo ka nanao hoe: “Ry Jesoa Mpampianatra ô, mamindrà fo aminay.” Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe: “Mandehana, misehoa amin'ny mpisorona”; ka nony nandeha ho any izy ireo dia sitrana teny am-pandehanana. Ary ny anankiray tamin'ireny, rahefa nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an'Andriamanitra tamin'ny feo mahery. Niankohoka tamin'ny tongotr'i Jesoa izy, dia nisaotra Azy; ary Samaritanina izy io. Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe: “Moa tsy folo lahy va no nadio? Ka nankaiza àry ny sivy? Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin'izy ireny mba hankalaza an'Andriamanitra?” Dia hoy Izy taminy: “Mitsangana, ary mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.