Alatsinainy 04 novambra 2030

Alatsinainy Faharaika amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 37, 22-23

Aza ilaozanao aho, ry Tompo Andriamanitro; aza manalavitra ahy, faingàna hanampy ahy, ry Tompo Mpamonjiko!

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy be indrafo ô, Ianao no ahafahan'ny mpino manompo Anao araka ny mendrika Anao; koa mihanta aminao izahay: aza avela ho solafa-mamindra eo am-piezahana hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Fil. 2, 1-4

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Filipy

« Fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina. »

Ry kristianina havana, raha mba manana famporisihana ao amin'i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha mba misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 130, 1. 2. 3
Fiv.: Tahio amim-piadanana ho eo anilanao ny fanahiko, ry Tompo.

Tompo ô, tsy mba miavona ny foko! tsy miandranandrana ny masoko! tsy manenjika zava-baventy aho, na zavatra ambony tsy sahaza ahy!
Ny fanahiko afa-po ka mamitsaka: toy ny zaza voky eo am-pofoan-dreniny: eny, toy ny zaza voky ny fanahiko ato amiko!
Aoka i Israely hatoky ny Tompo hatrizao ka ho mandrakizay!

Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao! Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 14, 12-14
« Aza ny sakaizanao no antsoina fa ny mahantra sy ny kilemaina. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ilay loholon'ny Farisianina nanasa Azy hoe: “Raha manasa olona hisakafo antoandro na hariva ianao, aza dia ny sakaizanao na ny rahalahinao, na ny havanao na ny mpanan-karena mifanakaiky aminao no asaina, fandrao asain'ireo koa ianao ka ho voavaliny izay nataonao taminy. Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao: dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly anao ireo; fa rahefa mby amin'ny fitsanganan'ny olo-marina vao hovaliana ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ho fanatitra madio mendrika Anao anie, ry Tompo, izao Sorona izao; ary ho loharano tsy ritra hanovozana ny famindram-ponao.

Kômonio Sal. 15, 11

Ny Lalan'ny fiainana no natoronao ahy: ka henika hafaliana aho, eo anatrehanao, ry Tompo.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitombo ao aminay ny hasin'ny herinao; ary havaozy amin'ny Sakramentanao izahay dia ho vonona hahazo ny soa nampanantenainao.