Asabotsy 02 novambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
MBOLA HITSANGAN-KO VELONA NY MATY
Toy ny nahafatesan'i Jesoa sy nitsanganany ho velona no hitondran'Andriamanitra an'izay nody mandry hiaraka aminy koa. Ary toy ny nahafatesan'ny olona rehetra ao amin'i Adama no hahaveloman'ny olona rehetra ao amin'i Kristy.
Mba henoy ny vavakay, ry Tompo mora fo, mino ny Zanakao nitsangan-ko velona izahay, ka mba ho mafy orina koa anie ny fanantenanay mpanomponao fa hitsangan-ko velona ireo havanay nody mandry noho ny toky nomenao anay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 14, 1-6Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Aoka tsy hitebiteby ny fonareo. Mino an'Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa. Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo, ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo, dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko, dia izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay alehako”. Dia hoy i Tômà taminy: “Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko, ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako”.
Ry kristianina havana, amin'izao andro iarahantsika amin'ny Eglizy manontolo mahatsiaro manokana ireo rehetra nody mandry izao, dia asondroty ny fontsika hiara-mivavaka ho azy rehetra, ary isika koa mba hahatontosa ny adidy eto an-tany eo am-panantenana ny fitsangan-ko velona.
Tompo ô, tsaroanay anio ireo mpino rehetra nody mandry; koa mihanta aminao izahay: mba rotsahy ny andon'ny famindram-ponao izy rehetra, ary ataovy miray lova amin'ny Olomasina.
Fankalazana ny Eokaristia
Jereo amim-pitiavana ireto fanatitra ireto, ry Tompo; koa raiso hiaraka amin'ny Zanakao any amin'ny voninahitrao ireo mpanomponao efa nody mandry, fa iray izahay ao amin'izao Sakramenta lehibe naorin'i Kristy izao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
Ilay nanaiky ho faty ho solon'ny maro mba tsy hahafaty ny olon-drehetra; eny, olona iray no sitrany ho faty, dia ny Tenany ihany mba hahavelona anay rehetra mandrakizay.
Izany no iarahanay mihira amin'ny Anjely ka faly midera Anao manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Izaho no fananganana sy fiainana, izay mino Ahy, na maty aza, mbola ho velona; ary izay rehetra velona ka mino Ahy, tsy ho faty mandrakizay.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ataovy tafita any amin'ny toeram-pahazavana sy fiadanana ireo mpanomponao efa nody mandry, fa hahasoa azy ireo no nankalazanay ny Sakramenta ahatsiarovana ny Paka.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Andriamanitra ô, Voninahitry ny mpino Ianao ary fiainan'ny olo-marina; ary ny Zanakao maty no ho velona no nanavotra anay; koa mba amindrao fo ireo havanay nody mandry, fa efa nino ny hitsangan-ko velona izy; ka enga anie ho velom-pinaritra mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Amin'izao andro fahatsiarovana an'ireo nody mandry izao, dia mivavaha mba homen'Andriamanitra ny hasambarana izy sy ireo rehetra manantena Azy.
Hahasoa hahatsara an'ireo mpanomponao nody mandry anie, ry Tompo, ny vavakay mitalaho aminao: koa diovy izy ho afaka amin'ny fahotany rehetra, ary raiso ho anisan'ireo navotanao.
Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba diovy ho afa-pahotana amin'ny Ran'i Ksisty atao Sorona izao, ireo mpanomponao nody mandry, fa mpamindra fo sy be fitiavana Ianao, ka enga anie ireo nosasanao tamin'ny ranon'ny Batemy mba hodiovinao hatrany.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.
Fa tendry avy aminao no ahaterahanay, safidinao no mitondra anay ary didinao no manafaka anay amin'ny fahotana eto amin'ny tany izay namoronana anay. Ary noho izahay navotan'ny Zanakao maty ho anay, dia lahatrao no itsangananay toa Azy be voninahitra.
Izany no iarahanay amin'ny Anjely sy ny Olomasina rehetra mihira sy mankalaza Anao amin'ilay antsa ventesinay lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Tompo ô, noraisinay tamin'ny Kômonio ny Zanakao Lahy tokana, dia Ilay natao Sorona ho anay sy nitsangan-ko velona be voninahitra; koa mihanta aminao izahay ho an'ny havanay nody mandry: enga anie izy hodiovin'izao Sorona anavaozana ny Paka izao, mba ho sambatra hitsangan-ko velona indray andro any.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Andriamanitra ô, nandresy ny fahafatesana ny Zanakao Lahy tokana, ka noraisinao any an-danitra; koa mba ataovy mandresy tanteraka ny fahafatesana ireo mpanomponao nody mandry, dia ho afaka hibanjina Anao Mpahary sy Mpanavotra azy mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Amin'izao vavaka hiarahantsika manao izao, ry kristianina havana, dia tsarovy ireo havantsika rehetra efa nantsoin'ny Ray, tsarovy koa ny Eglizy, ary mitalahoa amin'ny Tompo Andriamanitra, mba hampandriany fahalemana izao tontolo izao ary homeny ny famonjeny isika.
Ry Andriamanitra Tompon'ny velona sy ny maty ô, Ianao mamindra fo amin'izay fantatrao fa olom-pinidinao, noho ny finoany sy ny asany; koa mihanta aminao izahay: enga anie ho hitanay hatrany fa mamy ny miaina miaraka aminao, na ety na any an-koatra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tompo ô, raiso sy ankasitraho ny Sorona atolotray ho an'ny mpanomponao rehetra tafandry ao amin'i Kristy: ary enga anie hanafaka azy amin'ny fatoran'ny fahafatesana ity Sorona tsy manampaharoa ity; mba hahazoany ny fiainana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay:
Satria na mendrika ny ho very aza izahay, dia eo ny fitiavanao sy ny fahasoavanao; ka izahay levon'ny fahafatesana noho ny fahotana, dia voaavotra noho ny fandresen'i Kristy ary antsoiny hiara-belona aminy.
Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany miaraka amin'ny herin'ny lanitra, mihoby Anao Avo Indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina...
Tompo ô, ny Kômonio noraisinay anie hahabe ny famindram-po harotsakao amin'ireo mpanomponao nody mandry; ary efa vita Batemy izy, ka mba tolory ny hafaliana feno fatra mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.