Asabotsy 19 oktobra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, nony reko ny finoanareo an'i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho, sy mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, mba homen'ny Rain'ny voninahitra, Andriamanitr'i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo ny fanahin'ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara; ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao: ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben'ny voninahitry ny lova nomaniny ho an'ny olo-masina, ary ny halehiben'ny fahefany mihoa-pampana ho an'izay mino, hita amin'ny fiasan'ny heriny tsitoha. Naharihariny tao amin'i Kristy izany heriny izany, tamin'ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra, ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra, ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra, ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny fiainana ho avy koa, fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra, ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin'ny Eglizy, izay tenany, famenon'Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin'ny rantsam-batany rehetra.
Intý aho hihira ny fiandriananao. Ambony sy madera manoatra ny lanitra. Ireo vao minono sy ireo zaza bodo no he miantsa Anao ka mitory fiderana.
Raha hitako ny lanitra nataon'ny tananao, ny volana, ny kintana 'zay namboarinao; fa inona ny olona no mba tsiahivinao! Ny zanak'olombelona e tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy. Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy. Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 8-12Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona dia hoeken'ny Zanak'Olona koa izy eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra; fa izay handà Ahy eo anatrehan'ny olona kosa dia holavina koa izy eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra. Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak'Olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia tsy hahazo famelan-keloka intsony. Raha entina ho any amin'ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo, dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo fa hatoron'ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.