Zoma 20 septambra 2030

Zoma Fahaefatra amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sir. (Ekl.) 36, 18

Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.

Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 15, 12-20

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy dia foana ny finoanareo. »

Ry kristianina havana, raha torìna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy, ahoana itý ilazan'ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan-ko velona? Raha tsy misy ny fitsanganan-ko velona, na dia i Kristy aza tsy nitsangan-ko velona; ary raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny toriteninay, foana koa ny finoanareo! Izahay aza dia ho hita fa vavolombelona mandainga ny amin'Andriamanitra ho nanangana an'i Kristy ho velona, nefa tsy natsangany Izy tsinona raha marina fa tsy mitsangana ny maty. Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona raha tsy mitsangana ny maty. Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin'i Kristy. Ka dia isika no ho fara fahoriana indrindra amin'ny olon-drehetra, raha amin'itý fiainana itý ihany no anantenantsika an'i Kristy. Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy; ary Izy no santatr'izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 16, 1. 6-7. 8b sy 15
Fiv.: Izaho, ry Tompo, hivoky amin'ny Endrikao raha mifoha.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ataovy re ny tarainako! Mampandria sofina amin'ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin'ny fahavalo an'izay mifefy amin'ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho, afeno ao amin'ny aloky ny elatrao. Izaho, noho ny fahamarinako, hibanjina ny Tavanao, hivoky amin'ny Endrikao raha mifoha.

Aleloia. Aleloia.
Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 8, 1-3
« Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin'ny aretiny. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra, nampianatra sy nitory ny Evanjelin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nanaraka Azy ny roa ambin'ny folo lahy sy ny vehivavy sasany nositraniny tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito, i Joàna vadin'i Kozà mpitandrina ny fananan'i Herôda, ary i Sozàna mbamin'ny maro hafa koa izay nanampy Azy tamin'ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Kômonio Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.