Alahady 15 septambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
MISY HASINY NY FIJALIANA
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny Mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Nosokafan'ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin'ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin'ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin'ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho. Akaiky Ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy?
Izaho tia ny Tompo, fa mandre ny feoko Izy: ny sofiny atongilany rehefa miantso aho.
Efa voarohin'ny fahafatesana aho, efa tao anaty haratony: feno fahoriana sy alahelo no niantso ny Anaran'ny Tompo. «O ry Tompo ô, hoy aho, mba vonjeo re ny aiko!»
Ny Tompo antra sy marina, ny Andriamanitray mahay mangoraka: osa aho ka novonjeny! Ny aiko nafahany tamin'ny fahafatesana.
Ny masoko nalany tamin'ny tomany, ny tongotro tamin'izay nanfingana: koa hizotra eo anoloan'ny Tompo aho hatrany amin'ny tanin'ny velona!
Taratasin'i Md. Jakôba Apôstôly
Ry kristianina havana, raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan'andro, ka ilazan'ny iray aminareo hoe: “Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”, nefa tsy omeny izay ilain'ny vatany, inona no soa azony amin'izany? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban'asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe: “Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana asa koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin'ny asako”.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 8, 27-35Tamin'izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin'ny vohitra manodidina an'i Sezarean'i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe: “Ataon'ny olona ho iza moa Aho?” Ary ireo namaly Azy nanao hoe: “I Joany Batista, hoy ny sasany; i Elia, hoy ny sasany; ary anankiray amin'ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”. Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza?” Dia namaly i Piera ka nanao taminy hoe: “Ianao no i Kristy”. Ary noraràny mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin'iza na amin'iza.
Tamin'izay, nambarany tamin'izy ireo fa ny Zanak'olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin'i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an'i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an'Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona”. Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin'ny mpianany ka nilazany hoe: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.
Ry kristianina havana, amin'izao fahavoriantsika manodidina an'i Jesoa Kristy manolo-tena ho Sorom-pamonjena ny tany tontolo izao, dia akambano ny vavaka ataontsika, hangataka amin'Andriamanitra ny fahasoavana irintsika sy irîn'ny olombelona rehetra.
Tompo ô, Ianao nanomana ny Apôstôly ho vonona hanatrika Anao sy hiray fo aminao nijaly sy nitsangan-ko velona; koa omany koa izahay hanaraka Anao na amin'ny mora na amin'ny sarotra.
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny Fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay, hanajana ny Anaranao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.