Zoma 13 septambra 2030

Zoma Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 9, 16-19, 22b-27

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Tonga toa azy rehetra tamin'ny olona rehetra aho mba hamonjeko azy rehetra. »

Ry kristianina havana, raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho. Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin'ny Evanjely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a. 12
Fiv.: Drey, mahatehotia ny fonenanao, ry Tompon'ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka manina ny kianjan'ny Tompo! Ny foko sy nofoko mihoby an'ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano, ny sidisidina mahita akany ho an-janany eo anilan'ny ôtelinao, ry Tompon'ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay! Sambatra ny olona izay omenao hery. Koa mitombo ny hery, roso indray ny dia.
Fa manda sy ampinga ny Tompo, Ilay Andriamanitra velona sy voninahitro! Ny Tompo tsy mandà fa manome izay mahasoa ny lavorary famindra.

Aleloia. Aleloia.
Ny tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin'Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 6, 39-42
« Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba? »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao izao fanoharana izao tamin'ny mpianany: “Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa? Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra, fa izay mpianatra tapi-pianarana no hoatra ny mpampianatra azy ihany. Nahoana no ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao tsy hitanao? Ary ataonao ahoana no filaza amin'ny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, aoka hoesoriko ny sombim-bozaka amin'ny masonao' nefa ny sakamandimby ao amin'ny masonao aza tsy hitanao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby amin'ny masonao; izay vao ho hitanao ny hanesoranao ny sombim-bozaka amin'ny mason'ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.