Zoma 06 septambra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, aoka hataon'ny olona ho mpandraharahan'i Kristy izahay, sy mpitandrina ny misterin'Andriamanitra. Ary raha mpitandrim-pananana, dia ny ho samy mahatoky no ilaina indrindra. Raha ny amiko, dia tsy mampaninona ahy na hotsarainareo aho, na hotsarain'ny andron'ny olona; fa na izaho aza tsy mitsara tena. Satria tsy hitako izay tsiniko nefa tsy mahamarina ahy izany, fa ny Tompo no mpitsara ahy. Noho izany, aza mitsara alohan'ny fotoana, dia mandra-pahatongan'ny Tompo; fa Izy no hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina, ka hampiseho ny hevitry ny fo, ary amin'izay vao samy hahazo izay dera tandrifin'azy tsirairay avy.
Miantehera amin'ny Tompo, manaova ny tsara; monena amin'ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin'ny fonao.
Ankino amin'ny Tompo ny lalanao; miantehera aminy: fa Izy no hanao; ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana; ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Fa ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin'ny Tompo; fa Izy no màndany amin'ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin'ny ratsy fanahy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 5, 33-39Tamin'izany andro izany, ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an'i Jesoa nanao hoe: “Nahoana ny mpianatr'i Joany sy ny an'ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?” Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon'ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin'izay vao hifady hanina izy ireo.” Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: “Tsy misy olona manampina lamba tonta amin'ny tapa-damba nalaina tamin'ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin'ny tapa-damba vaovao. Tsy misy manisy divay vaovao amin'ny siny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho simban'ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: 'Ny tranainy no tsaratsara kokoa.'”
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.