Zoma 30 aogositra 2030
Fanombohana ny Sorona Masina
Anongilano sofina aho, ry Tompo, ka valio. Andriamanitra ô, vonjeo itý mpanomponao matoky Anao. Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro!
Ry Andriamanitra mampiray fo aman-tsaina ny mpino, tariho izahay vahoakanao ho tia ny didinao sy haniry izay nampanantenainao mba hifikitra amin'ny tena hasambarana ny fonay eto anivon'itý fiainana miovaova itý.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, tsy ny hanao batemy no nanirahan'i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely. Tsy tamin'ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan'izany ny Hazofijalian'i Kristy. Fa hadalana ny fampianarana ny amin'ny Hazofijaliana ho an'izay very, ary herin'Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren'ny hendry; ary holaviko ny fahaizan'ny mahay. Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr'izao tontolo izao? Tsy nahariharin'Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren'izao tontolo izao? Fa noho ny fahendren'Andriamanitra, dia tsy nahalala an'Andriamanitra ny fahendren'izao tontolo izao, ka dia ny hadalan'ny fitorian-teny no sitrak'Andriamanitra hamonjena izay mino. Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena, ary izahay kosa mitory an'i Kristy voafantsika tamin'ny Hazofijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny Jentily; fa i Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na Jentily. Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona.
Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena, sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka. Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny fony, amin'ny taranaka mifandimby.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 25, 1-13Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin'ny mpianany nanao hoe: “Ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany, ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina. Ny dimy tamin'izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry; ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika; fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin'ny fitoeran-tsolika. Ary noho ny fahelan'ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, Sorona tokana no nanangananao vahoaka maro ho firenenao, koa ataovy miray fo sy miadan-tsaina ny Eglizinao.
Tompo ô, lonaky ny andon'ny Ianitrao ny tany, ka ataonao mahavokatra ny mofo hamelona anay sy ny divay mampifaly ny fon'ny olombelona.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hanasitrana anay tanteraka ny Fonao antra hahavitanay asa mendrika hankasitrahanao.