Zoma 23 aogositra 2030

Zoma Faharoapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Ezek. 37, 1-14

Bokin'i Ezekiela Mpaminany

« Ry taola-maina, henoy ny tenin'ny Tompo: Hampiakatra anareo avy ao am-pasanareo Aho, ry vahoakako. »

Tamin'izany andro izany, tonga tamiko ny tenin'ny Tompo ka nentin'ny Tompo nivoaka am-panahy aho, dia napetrany teo amin'ny lemaka feno taolana. Nentiny nandeha teo akaikin'ireo manodidina azy aho. Be dia be izy ireo teo an-tampon'itý tany lemaka, sady maina dia maina. Ary hoy Izy tamiko: “Ry zanak'olona, mbola ho velona va ireo taolana ireo?” Ka hoy ny navaliko Azy: “Ry Tompo Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!” Dia hoy Izy tamiko: “Aminanio ireo taolana ireo, ka ataovy aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'ny Tompo! Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitra amin'ireto taolana ireto: Indro hampiditra fanahy ao aminareo Aho, dia ho velona ianareo. Hasiako hozatra eo aminareo, hampaniriako nofo eo aminareo, hovelarako hoditra eo amboninareo, ary hasiako fanahy ao aminareo, dia ho velona ianareo, ka ho fantatrareo fa Tompo Aho.” Dia naminany araka ny teny azoko aho; ka nony naminany, dia nisy feo re, dia injany zavatra mitatatata; dia nifanatona ireo taolana. Nojereko ka indro fa nisy hozatra ama-nofo naniry teo ambonin'ireo ary nisy hoditra nivelatra teo ambonin'ireo; saingy tsy mbola nisy fanahy tao aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 106, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9
Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara. Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.

Mandredòna izany ianareo navotan'ny Tompo, izay teo an-tanan'ny mpampahory nangoniny avy amin'ny vazan-tany: atsimo sy avaratra, atsinanana sy andrefana!
Tafasia tany an'efitra aman-tany foana izy ireo, tsy nahita lalana mihazo tanàna hiatoana; tratry ny hanoanana sy hetaheta, nandre harerahana tao anatiny.
Dia nitaraina tamin'ny Tompo fa nijaly: ka nafahany tamin'ny fahoriany, nampizoriny tamin'ny lala-mahitsy, hahatongavana an-tanàna hiatoana.
Aoka izy hisaotra ny Tompo noho ny hatsaram-pony, sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona; fa ny fanahy mangetaheta hetsahiny, ny fanahy mosarena vokisany soa!

Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin'i Kristy no manana ny fitiavana an'Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 22, 34-40
« Tiavo ny Tompo Andriamanitrao; tiavo ny namanao tahaka ny tenanao. »

Tamin'izany andro izany, ren'ny Farisianina fa nataon'i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay lalàna tamin'izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin'ny lalàna?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy amin'ny fanahinao rehetra, ary amin'ny sainao rehetra. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin'izany didy roa izany ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Kômonio Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.